Kalitaon'ny rano mampikolay vahoaka

Milaza ny Jirama fa tena manara-penitra io…


  • Talata 18 Martsa 2025

Tsy marina ny filazana fa tsy tsara kalitao ny rano vokarin’ny Jirama,

hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ity orinasam-panjakana misahana ny jiro sy rano ity omaly 17 martsa 2024. Nilaza izy ireo fa azo sotroina sy zaraina ary mandalo fanaraha-maso isan’ora maro samihafa ny rano vokarin’izy ireo. Araka ny fanazavan’ny Jirama, voahaja sy ara-dalàna avokoa ireo dingana rehetra ilaina mba hiantohana ny kalitaon’ny rano. Misy dingana fanadiovana hanesorana ny fotaka sy loto hita maso amin’ny alalan’ny fanafody, tsiaka ary fitiliana. Eo ihany koa ny famonoana mikraoba na "stérilisation" mba hahazoana rano fisotro madio. Ankoatra izany, manao ezaka hatrany ny orinasa hanoloana ireo fantsona efa simba sy nahazo taona, ka maherin’ny 12 500 metatra ny fantsona efa nosoloina teto Antananarivo sy ny manodidina, ary mbola mitohy hatrany izany asa izany, hoy ny Jirama. Na izany aza, mitondra setriny ny olom-pirenena fa misy fotoana lasa maloto (rano potaka) ny rano vao maraina (manomboka manangona). Rehefa manomboka mandeha kely iny vao madio... Tsy aiko ny mahatonga izany, hoy ny fanehoan-kevitra. Ao ny masiaka fiteny hoe: aza mifanadroadro fa manafintohina, tena tsy firaharahiana sy fanitsakitsahana tanteraka izao, hoy ny hafa. Maloto ny rano vokarinareo ry jirama.Hampangotrahana amin'ny "bouiilloire" dia misy "dépôt" na fotaka foana ny fanambaniny.Torak'izany ny rano efa ampandalovana " filtre" fa mbola misy "depôt" fotaka foana, tsy madio ny rano vokarin'ny jirama ary tsy sahy misotro sy mampisotro an'io ny ankohonako aho, hoy ny sasany. Asa mba mifanaraka amin'ny vola aloan'ny ve ny tolotra sy kalitao?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT