KALAMOAKA DIA NATAO LAOKA

Mpivady indray namoy ny ainy tao Ambatondrazaka


  • Alatsinainy 21 Jolay 2025

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao Antsahalava Ambatondrazaka omaly Alahady 20 Jolay.

Mpivady manan-janaka lahikely vao 5 taona monja no niara-maty vokatry ny fihinanana Kalamoaka dia natao loaka. Ilay zaza nifoha maraina no nanaitra ireo Ray aman-dReniny saingy tsy nisy namaly intsony. Niezaka nitantara ny zava-misy tamin'ny manodidina ity farany ka ireo olon-dehibe nahare ny resaka no niezaka nampandre ny sefom-pokontany. Indrisy anefa fa vatana mangatsiaka efa tsy nisy fofon'aina intsony no hitan'izy ireo tao an-trano. Ilay Rangahy teny ambony fandriana raha teny afovoan-trano efa nihosona maloto kosa ilay Ramatoa. Tonga tany an-toerana ny mpitandro ny filamiana sy ny dokotera nanamarina ity tranga ity .Nanambara ilay zaza fa ireny kalamoaka-dia na ( kalamoakan'alika ) ireny ny laokan'izy ireo afak'omaly Sabotsy 19 Jona alina ka mangidibe dia tsy ninana izy .Araka ny fantatra dia ny alina izy ireo no efa tsy nahatsiaro tena. Nambaran'ireo manodidina fa matetika no mitango io kalamoaka dia io ilay vehivavy izay mbola nahitana hoditr'ireo zavatra ireo maromaro teo an-tokontany.
Pati
Légende : Izy mivady sy ilay zavatra nohaniny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT