Sosialy

Kabarin’ny Filoha Misondrotra 13% ny Karama


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

51 minitra sy 13 segondra miaraka amin’ny hiram-pirenena ny lahatenin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny harivan’ny talata 31 desambra lasa teo.

 

 

 

 

 

Anisan’ny kabary ofisialina filoham-pirenena lava indrindra teto Madagasikara raha ny asaramanitry ny taom-baovao no resahana.

NAPETRAKA NY FOTOTRA

Asondrotra  13% ny karaman’ny mpiasam-panjakana ary hihatra avy hatrany amin’ity volana Jona ity izany hoy i Andry Rajoelina; fampisondrotan-karama an’izany mafonja indrindra hatramin’izay io.Tsara ho marihana fa 5,2% no vinavinan’ny fitomboan’ny harinkarena faobe eto Madagasikara amin’ity 2020 ity.Nahitsy toraka ny filoham-pirenena ho an’ireo ambarany fa mpanenjika azy, efa tena miasa andro aman’alina aho sy ny mpiara-miasa amiko, hoy izy mikaroka izay mahasoa ny firenena saingy misy foana ireo miezaka misintona miverina, manakantsakana eny mitady handrodana mihitsy aza.Nametraka ny fototry ny fampandrosoana isika tamin’iny taona lasa iny ka hiroso amin’ny  fananganana ny rindrina amin’iizay avy eo mametraka ny tafo…noharin’ny filoha tamin’ny fanamboaran-trano ny fanarenana ny firenena, tsy ho vita indray mipi-maso io hoy izy fa tsy maintsy mila asa sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra.Zava-dehibe nny firaisam-pirenena rah ate handroso marina isika, hoy izy.

FIARAHA-MIASA

Misokatra amin’ny rehetra i Madagasikara raha fiaraha-miasa no resahana, araka ny nambaran’ny filoha, eo ry zareo tandrefana dia ireo mpamatsy vola mahazatra.Efa nitsidika sahady an’i Madagasikara izao ny filohan’ny Banky Iraisam-pirenena David Malpass ary nanome 400 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara mba hanatantarehana ireo asa fampandrosoana.Nisy ihany koa ny dia natao tany Rosia, Chine, japon izany hoe ireo firenena tatsinanana.Tanjona ny hahatongavan’ny mpampiasa vola eto, izay sady hamorona asa no fivoy ho amin’ny fampatanjahana ny toekarena.

SOSIALY

Teo amin’ny lafiny sosialy kosa , nampatsiahy ny filoha Rajoelina fa fitsinjovana ny vahoaka sahirana no namerenana indray ny tsena mora, teo ihany koa ny nandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra hentitra hifehy ny vidin-tsolika, vita ihany izany na dia mafy aza ny fifampiraharahana tamin’ireo kaompania vahiny goavana eto amintsika.Nofoanana ilay fanampiana 69 tapitrisa doolara isan-taona omen’ny fanjakana ireo kaompania ireo ary ho ampiasaina amina sehatra hafa izany, hoy ny filoha.Hahavitana efitrano fianarana 7100 isan-taona io vola io.Zava-baovao nenitin’ny fitondrana ihany koa ny fandaharanasa Fihariana , ka antontan-taratasy 117 000 no voaray ary tetikasa 2722 no efa nahazo famatsiam-bola mitotaly 19 miliara ariary hatreto aloha.Tosika ho an’ny tanora sy ny mpandraharaha no aton’ny tetikasa Fihariana.Tsy fotoanan’ny fanakorontanana intsony izao fa avelao izahay hiasa, hoy ny Filoha Rajoelina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT