Sosialy

Joseph Yoland “1500 ariary ny kapoakan’ny vary ao Nosy be”


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Efa nolazaina hatramin’ny ela fa tsy azo atao, hoy ny loholona teo aloha sady mpandraharaha, Joseph Yoland, fa tsy azo atao ny mampatanjaka ny firenena avy nozanahana. Rehefa tsy atao,

hoy izy, ny fanorenana ifotony ny rafitra eto anivon’ny firenena dia toy izay foana. Na iza na iza hitondra eo dia tsy maintsy ho atao izany foana ity Madagasikara ity. Rehefa tsy ovana ny lalana rehetra itantanana ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka eto Madagasikara dia tsy handroso mihitsy ity firenena ity. Alain’ny frantsay sy ny firenena mpanjanaka ny zava-drehetra. Ny volamena tsy azo apetraka amin’ny banky foibe eto fa omen any banky foibe any ivelany dia tsy hatanjaka mihitsy ny vola gasy fa hampiana foana isika. 1500 ariary izao ny kapoakan’ny vary ao Nosy be. Hijaly hatramin’ny farany ny vahoaka Malagasy raha tsy ovana ny rafitra eto. Io no isany hampidirinay ao anatin’ilay fikaonan-doham-pirenena satria efa azonay ny hevitry ny manam-pahaizana fa ny hevitry ny tia tanindrazana maro sy ny vahoaka Malagasy maro an’isa kosa mbola tsy azo. Fara-faha tarany amin’ny volana may no atao ny fikaonan-doham-pirenena ary efa tany amin’ny FFKM izahay, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT