JIRON-DRAJOELINA VAO NOZARAINA

Nisy nivarotra teny amin’ny Petite Vitesse sahady


  • Talata 19 Desambra 2023

Mafotaka ny fizarana jiro avy amin’ny filoham-pirenena ho an’ireo manana karatra

Tanora Gasy Vonona eto an-drenivohitra, efa ho herinandro izao. Ho an’ireo hita nilahatra tetsy Antanimena omaly dia fantatra fa efa tamin’ny 04 ora maraina izy ireo no tonga teny an-toerana saingy hatrany omaly hariva tamin’ny 05 ora dia mbola marobe tsy nahazo ny anjarany. Ho an’ireo efa nahazo ny anjarany kosa dia tsy vitsy ireo nivarotra izany teny amin’ny Petite Vitesse teny sahady. 50.000 Ar no hanombanan’ny tompony ny iray amin’izany raha 45.000 Ar ny farany. Mbola mifono tsara mihitsy ireo jiro ireo. Rehefa nanontaniana moa ny tompon’ilay jiro dia nambarany fa na mazava tahaka ny inona aza ao an-tokantrano rehefa ny kibo no noana dia tsy misy dikany akory izany. Ny hanina hohanina izao no tena mahamaika ny isam-baravarana hoy izy indrindra fa ny vola hiatrehana ny fety. Notsindriany moa fa raha tena mahay ny mpitondra fanjakana dia ny vidim-bary sy ny fanafody hitsaboan’ny Malagasy tena no hampidinina ny vidiny. Fehezina ihany koa ny tsy fandriampahalemana hoy izy raha omena fahafahana ho afaka hampiana-janaka avokoa ny isam-baravarana fa tsy jiro no ndeha hozaraina sy handaniana fotoana.
Pati
Legende : Filaharambe tahaka izao ny teny Antanimena omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT