Sosialy

Jiro tapaka eny 67 HA Vokatry ny “cable” voakitika noho ny fanamboaran-dalana


  • Zoma 18 Janoary 2019

Tapaka nanomboka ny alarobia lasa teo ny jiro teny amin’ny faritra 67 ha sy ny manodidina.

 

 

 

 Ny tao ambadiky ny  Mada hotel, faritra anisan’ny be mponina indrindra  no tena nitondra faisana, fahatapahana izay nitohy hatramin’ny omaly. Nitondra fanazavana omaly  Atoa Ralaivao, tale teknikan’ny jiro eto Antananarivo. Nambarany fa vokatr’ilay cable milevina any ambanin’ny tany voatrongin’ny pelle mekanika hampiasain’ireo mpanamboatra lalana  miditra mankany amin’ny foiben’ny Apokalipsy no nahatonga io fahatapahana io fa tsy avy amin’izy ireo. Mamatsy tranon-jiro iray ao ambadiky ny Mada hotel anefa io cable io ary tsy misy azo atao raha tsy amboarina averina amin’ny laoniny. Tsy azo natao omaly maraina anefa izy io, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity noho ny hamaroan’ireo mpivarotra eny an-toerana izay tsy hanaiky mora foana ny fanalana azy. Alina izy ireo no nanatanteraka ny asa teny an-toerana izay nifandrimbonany niaraka tamin’ilay orinasa mpanamboatra ny lalana nitrongy ny cable mitondra herinaratra simba. Nomarihin-dRalaivao fa efa tena miezaka ny orinasa JIRAMA ankehitriny manafoana ny delestazy eto an-drenivohitra. Raha sanatria ka misy zava-mitranga toy ity teny 67 ha ity dia manao antso avo amin’ny rehetra izy ireo mba hifandray amin’izy ireo mivantana amin’ny alalan’ny pejy facebook-ny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT