JIRO SY RANO TAPA-DAVA ENY FENOARIVO

Aza avela ho tezitra izahay, hoy ny mponina


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Ela ny ela fa nampitandrina ny orinasa JIRAMA ihany ireo mponina eny Fenoarivo sy Alakamisy

Fenoarivo samy ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano manoloana ny jiro sy rano tapa-dava iainan’izy ireo. Ho an’ny jiro fotsiny ohatra omaly Alahady 21 Aprily no sady faran’ny herinandro dia naharitra adin’ny 8 be izao ny delestazy izany hoe : nanomboka tamin’ny 08 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora hariva. Tsy afaka nampiasa herinaratra tamin’ny fiangonana sy ny hopitaly vokatr’izany eny hatramin’ireo karazana orinasa kely mivelona amin’ny herinaratra toy ny poissonnerie, ny mpanao volo… Raha araka ny fanazavan’ny mponina dia tsy vao sambany no niaina tahaka izao izy ireo fa efa amam-bolana maromaro mihitsy. Ny faktioran’ny JIRAMA anefa etsy an-daniny vao mainka tena midangana indrindra fa ny jiro ary tsy maintsy aloha raha vantany vao tonga ny fotoana tokony handoavana izany fa raha tsy izany dia tapaka. Ho an’ny rano kosa indray dia mandeha ihany izany fa kely. Mahatratra 30 minitra vao mahafeno bidon miloko mavo 20 litatra iray hoy hatrany ny mponina hany ka voatery mampiasa rano amin’ny vovo avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Nomarihin’ireo mponina moa fa raha mbola mitohy ny tahaka izao izao dia tsy maintsy hitokona ihany izy ireo koa miandry ny fahatsapan-tenan’ny orinasa JIRAMA. Pati
Legende : Mandrahona ny hitokona handroro kodiarana tahaka izao koa ny mponin’i Fenoarivo sy Alakamisy Fenoarivo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT