Sosialy

Jiro manjelatra eraky ny tanàna Mampiala voly no sady manampy amin’ny fandriampahalemana


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Mbola hita manerana ny faritra maro eto Antananarivo renivohitra ireo jiro maro loko mandravaka andrin-jiro, zava-maniry sy fotodrafitrasa maro samihafa ka manome endrika kanto ny tanàna amin’ny alina.

 

 

 

 

Mialoha kelin’ny krismasy no nametrahan’ny fitondram-panjakana azy ireny ary ny tena mahsondriana ny maro moa dia ny eny Ananinarenina sy ny eny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra satria tokoa kilalaon-jiro tsy fahita hatrizay no tazana eny ka na ankizy na olon-dehibe dia samy sondriana avokoa ary maika ny haka sary hatao fahatsiarovana.Misy tahaka izany ihany koa, tsy hoe tena manjelatra be fa kosa ampy hanintona ny mpandalo sy ny mpijery ny eny Antanimena, Ankorondrano, Anosy, Soanierana ary mandravaka ny tontolo sy manome endrika hafa sy tsara kosa aloha ilay izy.Fanirian’ny maro ny hoe : mba tsy amin’ny andro fety ihany no hisy ny fahazavana tahaka ireny fa ataovy mandava-taona, satria rehefa mazava ny tanàna dia milamina ho azy ary mahazo toky kokoa amin’ny fifamezivezena amin’ny alina ny olona, izay samy manana ny antony hanaovany izany moa.Tonga lafatra kokoa raha hoe rakotra andrin-jiro isam-pokontany sy ny elakelan-trano, saingy efa iaraha-mahalala ihany fa sarotra sady lafo ary mila vola be izany; saingy ity fanazavana misy nanomboka ny fety ity kosa aloha raha mitohy dia efa digana iray sahady hametrahana ny fandriampahalemana sy hanomezana endrika mahafinaritra kokoa ny tanàna; ary tsy eto Antananarivo ihany fa afaka aparitaka amin’ireo tanan-dehibe manerana ny nosy ety am-piandohana aloha..ho hita eo indray ny tohiny.Any amin’ny mpitondra sy ny manam-pahefana ny baolina izany e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT