Sosialy

Jiro manazava ny lalan’Ampitatafika Nitombo avo 10 heny


  • Zoma 10 Aogositra 2018

Anisan’ireo kaominina 10 voantsonga nisitraka ny fampiofanan’ny birao mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny Bianco notontosaina tetsy amin’ny Pave Antaninarenina omaly ny kaominin’Ampitatafika.

 

 Antony, hoy ny ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina, dia niha haingana ny fikarakarana teo anivon’ny kaominina. Rehefa manao kopia, ohatra, ka raha maraina no mangataka dia ny hariva ihany dia efa vita. Tsy ekena intsony eo anivon’ny kaominina ny tsy manome “quittance”. Miroso amin’ny fahaleovantena ara-bola hatrany ny kaominina ary volany madiodio, hoy ny fanazavana, no nahazoana ireo fitaovana fanamboaran-dalana. Mikasika ireo jiro manazava ny lalana kosa dia nitombo avo 10 heny izany, raha ny fanazavany hatrany, satria raha nahavita jiro miisa 14 eo tamin’ny taon-dasa tamin’ny alalan’ny 400.000 ariary dia miisa 145 isa ankehitriny ireo jiro noho ny fahazoana 145 tapitrisa ariary.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT