Sosialy

Jiro hiatrehana ny fety Nanampy ekipa ny JIRAMA


  • Talata 24 Desambra 2019

Mandray fepetra maromaro ny orinasa hisorohana ny olan’ny fahatapahan-jiro sy rano, amin’izao ankatoky ny Noely sy ny faran’ny taona izao.

 

 

 

Ho an’ny herinaratra dia hatao vaindohan-draharaha ny fanomezana hazavana ny arabe sy ny lalan-kely hamalifaliana ny mponina, indrindra hitandroana ny filaminana. Ampitomboina ny isan’ny ekipa mpanao asa fanamboarana maika (dépannage). Miisa enina ireo ekipa ireo amin’ny andavanandro, izay ahitana olona valo. Hampitomboina folo ny isan’izany ekipa izany amin’ny fetin’ny Noely ary 20 kosa amin’ny faran’ny taona. Ho an’ny rano dia  natao izay fomba rehetra hisorohana ny fahatapahan’ireo tobim-pamokaran-drano efatra dia i Mandroseza, Ankadivoribe, Faralaza ary Sabotsy Namehana, tamin’ny alalan’ny fanoloana  na fanamafisana ireo kojakoja toy ny paompy. Notanterahana omaly alatsinainy  izany asa rehetra  izany. Hampitomboina ihany koa ny isan’ireo ekipa mpanao asa  fanamboarana maika ary novononina ny fitaovana miaraka amin’izany toy ny fiara sy ny fitaovam-panamboarana ny simba. Ho an’ny any amin’ny faritra, ampitomboina ny famokarana herinaratra, amin’ny alalan’ny fandefasana vondrom-panely herinaratra fanampiny, miisa 18 amin’ireo faritra mena amin’ny fahatapahan-jiro. Anisan’ireny ny ao Ambilobe II,  Nosy-be II, Ambato-Boeny I, Maintirano I…Efa samy manomana ny solika ampy hihodinan’ireo tobim-pamokarana herinaratra ireo avokoa ny tompon’andraikitra any amin’ny faritra tsirairay.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT