Tsy mba fahatapahan-jiro tsotra intsony fa lasa fanadalana saim-bahoaka mihitsy ny delestazy misy ankehitriny, raha ny resaky ny olona any anaty fiarahamonina isam-pokontany.
Namoaka fanambarana indray ny JIRAMA omaly fa misy ireo toerana sasantsasany iharan'ny 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐚𝐩𝐚𝐡𝐚𝐧-𝐣𝐢𝐫𝐨 indray noho 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐞𝐤𝐧𝐢𝐤𝐚 izay tsy misy ifandraisany amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby. Anisan’izany ny 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒉𝒊𝒋𝒂𝒕𝒐𝒗𝒐(𝑨𝒎𝒃𝒐𝒏𝒚) ,𝑨𝒎𝒃𝒐𝒉𝒊𝒎𝒂𝒏𝒐𝒓𝒐, 𝑨𝒏𝒅𝒐𝒉𝒂𝒍𝒐, 𝑳𝒂 𝑯𝒂𝒖𝒕𝒆 𝒗𝒊𝒍𝒍𝒆, 𝑴𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒎𝒊𝒂𝒅𝒂𝒏𝒂, 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒉𝒊𝒎𝒊𝒕𝒔𝒊𝒎𝒃𝒊𝒏𝒂,𝑨𝒎𝒃𝒐𝒉𝒊𝒑𝒐𝒕𝒔𝒚, 𝑨𝒏𝒅𝒐𝒉𝒂𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒚, 𝑴𝒂𝒏𝒂𝒌𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒊𝒏𝒚, 𝑴𝒂𝒓𝒐𝒓𝒐𝒉𝒐,𝑻𝒔𝒊𝒎𝒃𝒂𝒛𝒂𝒛𝒂,𝑨𝒏𝒌𝒂𝒅𝒊𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂, 𝑪𝑨𝑷𝑺𝑨𝑻,𝑭𝒊𝒂𝒅𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝑭𝒂𝒔𝒂𝒏𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 -𝑨𝒏𝒐𝒔𝒊𝒎𝒂𝒉𝒂𝒗𝒆𝒍𝒐𝒏𝒂 -𝑨𝒏𝒌𝒂𝒅𝒊𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂 -𝑺𝒐𝒂𝒏𝒊𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂 - 𝑵𝒂𝒎𝒐𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂 - 𝑴𝒂𝒏𝒂𝒏𝒋𝒂𝒓𝒂 - 𝑭𝒊𝒍𝒂𝒕𝒆𝒙 - 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏𝒅𝒓𝒂 -𝑨𝒏𝒌𝒂𝒅𝒊𝒕𝒐𝒉𝒐 -𝑴𝒐𝒓𝒂𝒓𝒂𝒏𝒐 -𝑴𝒂𝒏𝒂𝒌𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒊𝒏𝒚-𝑴𝒊𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐 -𝑨𝒎𝒃𝒂𝒕𝒐𝒓𝒐𝒌𝒂 -𝑨𝒎𝒃𝒐𝒉𝒊𝒑𝒐 -𝑨𝒏𝒅𝒐𝒉𝒂𝒏'𝒊 𝑴𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒆𝒛𝒂 -𝑪𝒊𝒕𝒆́ 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒉𝒊𝒑𝒐 -𝑨𝒎𝒃𝒐𝒍𝒐𝒌𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏𝒂 -𝑨𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒕𝒆𝒛𝒂 -𝑨𝒏𝒅𝒓𝒂𝒗𝒊𝒕𝒐𝒕𝒐 -𝑩𝒊𝒃𝒊𝒍𝒂𝒗𝒂 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒉𝒊𝒕𝒓𝒂𝒌𝒆𝒍𝒚 -𝑨𝒎𝒃𝒐𝒅𝒊𝒎𝒂𝒏𝒈𝒂 -𝑩𝒆𝒕𝒐𝒏𝒈𝒐𝒍𝒐 - 𝑨𝒗𝒂𝒓𝒂𝒅𝒐𝒉𝒂 -𝑴𝒊𝒏 𝑬𝒏𝒆𝒓𝒈𝒊𝒆 -𝑨𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒏𝒐𝒎𝒃𝒚 -𝑨𝒎𝒃𝒂𝒕𝒐𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 -𝑹𝒂𝒅𝒊𝒐 𝒊𝒔𝒐𝒕𝒐𝒑𝒆 -𝑨𝒎𝒑𝒂𝒔𝒂𝒑𝒊𝒕𝒐 -𝑰𝑺𝑻 𝑨𝒎𝒑𝒂𝒔𝒂𝒑𝒊𝒕𝒐 -𝑴𝒊𝒌𝒐𝒋𝒂 - 𝑪𝒊𝒕𝒆́ 𝑴𝒊𝒍𝒊𝒕𝒂𝒊𝒓𝒆 𝑵𝒂𝒏𝒊𝒔𝒂𝒏𝒂 - 𝑴𝒂𝒏𝒈𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐𝒕𝒓𝒂 -𝑨𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒏𝒐𝒎𝒃𝒚 – 𝑻𝒔𝒂𝒓𝒂𝒉𝒐𝒏𝒆𝒏𝒂𝒏𝒂. Nilaza koa moa izy ireo fa efa an-dalam-panarenana ny tsy fahatomombanana ny teknisiana ka rehefa vita ny asa dia hiverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra amin'ireo toerana voalaza ireo.
MISY VOKA-DRATSY AMIN’NY ASA SY FIHARIANA
Tsiahivina moa fa efa betsaka ireo onjampeo sy fahitalavitra manana « émetteur » eny amin’iny faritra ambony iny no toko olana na tena tsy mandeha intsony mihitsy vokatr’ireo fahatapahan-jiro lavareny maro isan-tsokajiny io. Misy voka-dratsy any amin’ny asa sy ny fihariana ary ny fiainana amin’ny ankapobeny ny tsy fahafehezana ny fitsinjarana herinaratra ity ary efa tena tsy misy izay tsy mikaikaika, hatramin’ireo artista malaza fanaraky ny tanora ankehitriny aza dia misy tena tafateny mahery mihitsy maneho hevitra anaty facebook satria ao anatin’ny 24 ora kosa ve, dia 4 ora no mbamandeha ny jiro sy ny rano.Miisy toerana sasany aza tahaka ny eny Ivato eny, efa ho 1 volana tsy misy rano.Mitaraina ireo mponina fa tena tonga amin’ilay fitenana hoe : misy mihaino ve oooo…, hany ka nikaroka vahaolana hafa izy ireo fa tsy hiandry ny jirama efa tsy hita atao inona io intsony. Ambarao aminay ny tena marina fa aza izahay no adalainareo isan’andro eto, hoy ny hafatry ny mpanjifa maro amin’ny Jirama, voakasik’izany ihany koa moamazava ho azy ny ministeran’ny angovo
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.