Sosialy

JIRAMA Ny faktiora lazaina fa mihena, ny delestazy mitohy ihany


  • Zoma 09 Jolay 2021

Mizara efatra ny “tarif” an’ny Jirama manomboka izao noho ny fametrahana ny “OPTIMA”: social - économique - confort - super confort, ka ny mpanjifa no misafidy ny tolotra mety aminy,

 hoy io orinasam-panjakana io. 90%-n'ny mpanjifa no hihena ny faktiorany. Hitovy avokoa ny vidin-jiro manerana ny Nosy raha avo telo heny an'ny vidin-jiro tamin'ny Tambazotra Iraisana Antananarivo ny tany amin'ny faritra teo aloha, hoy ny fanamafisana. Afaka manamafy ny fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ny JIRAMA. Izao no natao dia ny mba hametrahana ny mpanjifa ho tena laharam-pahamehana, hoy hatrany ny fanomezan-toky. Etsy ankilany, mitohy saika isan’andro ny fahatapahana, ary mahita fanazavana holazaina hatrany ny Jirama. Iaraha-mahita sy mahalala, fa tsy ampy sy tsy mahasahana ny filàn’ny olona sy ny tokantrano izay mitombo isa kosa ny tolotra amin’ny famokarana angovo. Tetikasa goavana nataon’ny Fanjakana Rajaonarimampianina izay nenjehina fatratra ny fananganana toby lehibe mpihary herinaratra any Farahantsana. Voalaza moa fa tara ny fahavitan’ny asa fa mbola tsy vonona daholo ireo andry na “pylones” hitondra ny tarobia mpitondra herinaratra. Tokony hihazakazaka amin’ny famitana izay tsy vita ny Fanjakana ankehitriny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT