Sosialy

JIRAMA Nitohy omaly ny famerenana ny jiro tapaka


  • Talata 07 Janoary 2020

Faritra maro hatramin’ny omaly no mbola niaina tao anatin’ny fahatapahan-jiro lavareny na ilay antsoina hoe : delestazy. Anisan’izany ny teny Ambohimangakely…

Mbola mitohy amin’ny  famerenana ny herinaratra amin’ny laoniny araka izany ny  orinasa JIRAMA.Efa tontosa  avokoa raha tsiahivina ireo asa fanarenana vonjimaika ireo "pylônes" lehibe mitondra herinaratra 138 000 V eny Behintsy sy roa hafa mitondra 63 000 V eny Alasora, izay nazeran'ny rivotra sy ranon’orana tamin’iny faran’ny herinandro teo iny. Tokantrano miisa  20 000 no lasibatra tamin’izany izay efa afaka misitraka herinaratra avokoa ny ankamaroany hatreto raha  ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mbola eo am- panarenana ireo andrin-jiro kely nianjera amin'ny tany kosa anefa ny JIRAMA hatramin’ny omaly na dia izany aza. Andrin-jiro 15 tamin'ireo 40 nianjera no efa voaarina. Telo kosa sisa ny andrin-jiro mitondra herinaratra MT no tsy voaarina ka eny Ankadinandriana ny roa amin’izany raha eny Mantasoa kosa ny  iray.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT