Sosialy

JIRAMA - Mandroseza II Nikatso ny paompy mpampiakatra rano


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Nitondra fanazavana mikasika ny fikorontanan’ny famatsiana rano amina faritra maromaro eto an-drenivohitra ny orinasa JIRAMA omaly, tranga izay tena mampikolay ny mpanjifa. Nambaran’iretsy voalohany fa vokatry ny

fikatsoan'ny paompy mpampiakatra rano ao Mandroseza II, no antony mahatonga izany. Ho an’ny eto an-drenivohitra ohatra dia anisan’ny voakasika ny ao Fiadanana, Anosy Carlton, Ampefiloha, Isoraka, Isotry, Anosibe, Andavamamba, Andohatampenaka, 67ha , Antohomadinika, Andraharo Galaxy, Antanimena , Ankadifotsy, Ankorondrano, Ivandry , Analamahitsy, Alarobia ary Soavimasoandro. Toerana am-polony no voakasin’izany izay nampitaraina mpanjifa maro nefa ny faktioran’ny JIRAMA eo an-daniny midangana hatrany. Ho an’iny faritra Atsimondrano iny dia fantatra fa lasa miloko mavo sy mitady hisy fofona mihitsy ilay rano toy ny teny Ampitatafika, Anosizato, Antandrokomby…. raha araka ny loharanom-baovao azo. Efa am-perin’asa manarina io paompy io ny teknisiana hatramin’ny omaly koa raha vantany vao vita izany dia fantatra fa hiverina amin’ny laoniny toy ny teo aloha ny famatsiana ilay rano.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny asa fanamboarana
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT