Sosialy

JIRAMA Manavao sy manatsara foto-drafitrasa iombonana


  • Talata 26 Oktobra 2021

Mihaino ny mpanjifa dia miroso avy hatrany amin'ny asa fanavaozana sy fanatsaràna ary fanitarana fantsona ny orinasa JIRAMA toy izay notanterahina teny Ankorondrano Andrefana

.Paompin-drano miisa telo sy toeram-panasan-damba miisa roa no nohatsaraina ny famatsian-drano ka fantsona maherin'ny 800m no nosoloina. Nijery ny vokatry ny asa teny an-toerana, omaly ny Minisitry ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana Rakotondrazaka Ladislas Adrien, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Ramaroson Andry, izay Minisitra mpiahy ny orinasa. Tokantrano 2000 tafo eny Ankorondrano Andrefana sy ireo fokontany telo manodidina no misitraka ity asa ity, izay efa fanaon'ny JIRAMA isan-taona ka tamin'ity taona ity dia fokontany miisa fito no efa nisitraka izany toy ny eny Amboatavo ambavahaditokana sy Ankadikely Ilafy.Mbola maro ihany koa ireo tetikasa hotanterahina eto an-drenivohitra amin'ity taona ity toy ny biraom-pokontany eny Mahazo, ny toeram-pilalaovana baolina kitra eny Ankadikely. Hiaraha-manatanteraka amin’ny tetikasa WSUP Moa ny paompin-drano, ny toeram-panasan-damba, toeram-pidiovana sy fivoahana raha tsiahivina.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT