Sosialy

JIRAMA Maharay fitarainana 850 isa isan’andro


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Efa miasa tanteraka ilay laharana maitso 3547 hifandraisan’ny orinasa JIRAMA amin’ny mpanjifa. Ao amin’ny ivon-toerana antsoina hoe : “Centre de relation client” no raisina ny antso rehetra avy any amin’ny mpanjifa.

 

 

 Mahatratra 850 isan’andro ny antso voarain’ity ivon-toerana ity hatreto ho an’Antananarivo ka ankoatra ny fitarainana jiro tapaka dia misy ihany koa ireo mitaraina ny amin’ny fisian’ny paompy vaky eny rehetra eny, ny tsy fahazoana rano fisotro madio ara-dalana …. Ho an’ireo karazana olana toy ny delestazy ….dia nambaran’ny tompon’andraikitra fa aorian’ny fahazoana ny antso dia ampitaina avy hatrany any amin’ireo teknisiana eny Soanierana ny vaovao ka ireto farany indray avy eo no miainga miaraka amin’ny fitaovana midina eny ifotony. Ekipa 11 isan’andro no mifanome tanana amin’izany ka ho an’ny alina fotsiny dia mahatratra 8 izy ireo. Tanjon’ny orinasa JIRAMA moa hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpanjifa ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana lalovan’ny firenena izao. Mikasika ireo olona mandray ny antso moa dia fantatra fa marobe izy ireo no indray miara-misalahy amin’izany, miaraka amina fitaovana avo lenta toy ny solosaina….

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT