Sosialy

JIRAMA Hampiditra jiro 12.000 hatramin’ny faran’ny taona


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Fampidiran-jiro miisa 12. 000 no hotratrarin’ny orinasa JIRAMA hatramin’ny faran’ity taona 2020 ity.

 

 

Efa tonga ao Ambohimanambola, ny kaontera hanatanterahana izany, herinandro vitsivitsy lasa izay. Nitsidika izany teny an-toerana ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA, Vonjy Andriamanga, afak’omaly Sabotsy. Misy karazany telo ireo kaontera hamparitaka amin’izany. Lohalaharana amin’ireny ny kaontera mandeha amin'ny fahana na ilay antsoina hoe : "prépayé". Faharoa ny kaontera elektronika na irony kaontera tsotra mahazatra irony ary fahatelo farany ny kaontera "intelligent" ZTE izay afaka mifandray mivantana amin'ny JIRAMA. Tanjona hoy ny tale Jeneraly Vonjy Andriamanga ny hahavitàna fampidiran-jiro 12. 000 isa hatramin'ny faran’ny taona . Efa manomboka ny fanatanterahana izany ka ny 40%-n’ny asa no efa vita amin'izao fotoana izao. Miara-dalana amin'izao fahatongavan'ny kaontera izao ihany koa ny fanokafana indray ny ozinina fanamboarana andrin-jiro vita amin'ny rafi-batomikarana na "poteau en béton", etsy Mandroseza, raha toa ka orinasa tsy miankina no nisahana izany teo aloha. Vinavinan'ity ozinina ity ny hahavita andrin-jiro 8 ka hatramin'ny 10 isan'andro. Izao no hatao dia hanafainganana ny fisitrahan'ny mponina herinaratra, izay velirano faharoan'ny Filoham-pirenena.

Pati

Legende : Nandritra ny fijeren’ny tale jeneralin’ny JIRAMA ireo kaontera

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT