Sosialy

JIRAMA Fantsona 1343 m no hosoloina eny amin’ny La Haute ville


  • Alakamisy 01 Jolay 2021

Anatin’ny fanamby napetraky ny JIRAMA mandritra ity 45 taona manaraka ny hanavao ny foto-drafitr’asa rehetra izay manavesatra sy tsy mahatomombana ny tolotra ho an’ny mpanjifa.

 

 

 Anisan’izany ny fanoloana ireo fantsona izay efa tena antitra. Omaly dia efa nanomboka asa goavana ny orinasa. Fanoloana fantsona mirefy 1343 metatra eny amin’ny faritra tanàna ambony (La Haute Ville), izay manomboka eny Andohalo, miazo an’Ankazotokana ka hatrany Ambanidia no nisantarana izany. Haharitra roa volana ny asa fanamboarana. Hisy araka izany ny fandaminana ny fifamoivoizana izay iaraha-miasa miaraka amin’ny CUA sy ny mpitandro filaminana. Izany asa rehetra izany dia mety hiteraka fikorontanana eo amin’ny famatsiana rano eny amin’ireo faritra ireo sy ny manodidina mandritra ny ora vitsy rehefa manomboka ny famindrana sy fanoloana fantsona vaovao. Izao no natao dia ny hamahana ny olan’ny famatsiana rano eny amin’iny faritra iny sy hanatsarana ny tosika ary hampihenana ihany koa ny fahaverezan-drano. Etsy ankilan’izay dia efa miroso tsikelikely amin’ny fitsinjarana rano eny anivon’ny tambazotra ny toby famokarana sy famatsian-drano vaovao Mandroseza II. Manoloana ny fanavaozana ireo fantsona dia mirefy mihoatra ny 15 km no efa voasolon’ny orinasa Jirama. Hitohy izany asa izany mba hahatrarana ny tanjona dia ny fanavaozana fantsona mirefy 90km ato anatin’ny faritra Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ho amin’ity andiany voalohany ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT