Araka ny efa notanterina teto omaly hatrany dia nanambara ny JIRAMA fa nisy ny fahadisoana niniana nataon’ ireo mpiasa 50 izay nahitàna tale roa ka nahatonga iny fiakaran'ny Jiro nihoapampana tsapan'ny mpanjifa teo iny.
Nanamafy hatrany talen’ ity orinasa ity, Vonjy Andriamanga, nandritra ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety omaly fa faktiora 5 000 amin' ireo 40 000 no hahitsin'ny Jirama tao aorian'ny fahadisoan'ny "index". Ireo 5 000 ireo dia nitondra porofo noho izany fahadisoana izany. Nambarany fa tsy nipetrapotsiny ny orinasa fa nanantona avy hatrany ny mpanjifa. Raha efa nisy mpanjifa efa mandoa ny faktioran'ny jirony dia hisy ny fanintsiana hatao amin'izany, hoy ihany izy. Nohamafisiny hatrany fa hisy ny fepetra sy fanasaziana hentitra ho raisina amin'ireo mpiasa ireo ary hisy ny fanadihadiana hentitra. Tsy vitsy ny mpanjifa no voatery mandoa vola be mihoatra ny tokony ho izy rehefa mandoha faktioran-jiro eny amin’ny Jirama. Ny fanazavana omen’ny tompon’andraikitra eo anivon’ity orinasa ity anefa dia tsotra toy ny hoe : nanao fandaniana be ianareo tamin’io volana io. Andrasana izay fiovan’ ny tolotra omen’ ity orinasam-panjakana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.