Sosialy

JIRAMA Azo hefaina tsikelikely ny faktiora volana Jona


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Mbola mitoetra eto amin’ny firenentsika amin’izao fotoana izao ny fahamehana ara-pahasalamana.

 

 

 

 

 Noho izany, ny JIRAMA, amin’ny maha sampan-draharaha misahana ireo filàna andavanandron’ny mponina azy dia manatanteraka ny drafitra ara-tsosialy amin’ny hamehana ka mandray hatrany ny fanapahan-kevitra ho fanamaivanana ny vesatra ho an’ireo mpanjifa izay mbola ao anatin’ny fihibohana. Ho an’ireo faritra mbola ao anatin’ny fihibohana toa an’Analamanga,Atsinanana ary Alaotra Mangoro noho izany, dia mbola afaka manemotra ny fanefana ny faktiora volana jona ny mpanjifa rehetra. Rehefa miverina amin’ny laoniny ny fianana andavanandro dia afaka hefaina tsikelikely isam-bolana izany ao anatin’ny 5 volana. Raha sanatria misy kosa tsy fahafahana manokana na fahasahiranana dia afaka mifampiresaka amin’ny JIRAMA ny handoavana izany hatramin’ny 10 volana. Ireo faktiora hefaina tsikelikely dia hozaraina miaraka amin’ny faktioran’ny fandaniana isam-bolana. Manana safidy ihany koa anefa ny mpanjifa raha hanefa avy hatrany ny faktiorany. Ankoatra ny eny amin’ny masoivoho JIRAMA dia azo aloha eny amin’ny Biraon’ny Paositra Malagasy, BOA, Accès Banque izany na amin’ny « Mobile Money » (Mvola, Orange Money, Airtel Money) izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT