Sosialy

Jirama Antananarivo Renivohitra Hotohizana ny fampiakarana ny tanjaky ny herinaratra


  • Talata 09 Jolay 2019

Tsy mandritra ity CAN 2019 ity ihany no hiezaka hampitombo ny tanjaky ny herinaratra amin’ireo faritra maro eto an-drenivohitra ny orinasa JIRAMA, raha araka ny fanazavana azo.

 

Taorian’Ambodivona, 67 ha, Ambanidia… dia faritra valo indray no tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny JIRAMA hanaovana izany toy ny  eny  Anosibe Angarangarana, Ambodimanga,  Namontana,  Antsahatsiresy  ( Sabotsy Namehana),  Ambodifasina, Ambohidratrimo ary Ambohibao Antehiroka. Efa nanomboka omaly ny asa. Tanjon’izy ireo amin’izany ny hanatsarana ny tolotra omena ny isan-tokantrano entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.  Mikasika ny ny fampitomboana ny isan’ireo mpanao dépannage kosa raha sanatria tapaka tampoka ny jiro eo am-pijerena baolina dia fantatra fa mandritra ny CAN ihany no hanaovana izany hahafahan’ny Malagasy miray fo sy sina amin’ny ekipam-pirenena BAREA. Tsiahivina moa fa efa tafakatra 480 Kva ny tanjaky ny herinaratra miainga eny Ambodivona amin’izao raha 320 Kva teo aloha.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT