Tra-tehaka nandritra ny fisafoan'ny zandary ny halatra gazoala tao amin’ny JIRAMA Ambovombe ny 03 Aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 03 ora maraina.
Lehilahy roa no sarona nilanja « jerricans » 20 litatra roa feno Gazoala. Rehefa nanontaniana izy ireo dia nilaza fa mpiambina ny JIRAMA any an-toerana no nanatitra ireo gazoala ireo tao an-tranony fa izy ireo mpandray fotsiny ihany. Rehefa nosavaina anefa ny tranon'izy ireo dia nahitana « jerricans » miisa efatra feno gazoala izay mitovy amin’ny fampiasan’ny JIRAMA. Notadiavina io mpiambina voatonontonona io ary samy niaiky ny halatra nataony izy ireo. Nametraka fitoriana ny JIRAMA ary natao fanadihadihana ny « Chef d'usine" sy ny « Agent de conduite » ary iretsy telo lahy. Niakatra fampanoavana ny zoma 07 Aogositra teo ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika izy dimy ireo. Ny mpitantana ny JIRAMA dia miantso hatrany fiaraha-miasa amin’ny rehetra hampandre amin’ny alalan’ny antso an-taribia 3547, na mandefa hafatra miafina amin’ny pejy Fesiboky Jirama Ofisialy na mampilaza ny manam-pahefana avy hatrany raha misy tranga halatra gazoala tahaka izao, izay miteraka fatiantoka goavana ho an’ny orinasa. Tsy mandefitra na amin’iza na amin’iza manao izao asa ratsy izao ny mpitantana ny JIRAMA .
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.