Sosialy

JIRAMA 67 HA Filaharam-be ny fandoavan-jiro, nisy fitakiana CIN


  • Talata 24 Martsa 2020

Na dia efa voarara tsy azo natao intsony aza nanomboka omaly Alatsinainy 23 Septambra ny fivoahana ny trano sy ny fivorivoriana dia mbola vahoaka be ihany no tonga nilahatra nandoa jiro

 

  sy rano tetsy amin’ny JIRAMA 67 ha. 60 isa  izy ireo raha kely izay  sady tsy nanaja ilay elanelana 1 metatra akory no mbola tsy nanao sarom-bava ihany ny ankamaroany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpanjifa ireo dia maro tamin’izy ireo no tsy nahandry ilay kabarin’ny filoham-pirenena ny Alahady alina teo ka tsy nahalala na inona na inona. Nisy ihany koa anefa ireo nahalala ihany saingy noho ny tahotry ny ho tapaka jiro na rano dia tsy maintsy nandeha. Raha tsiahivina anefa dia efa namoaka vaovao ny JIRAMA ny sabotsy teo fa efa azo aloha amin’ny alalan’ny finday manomboka izao ny faktiora hiarovana amin’ny fiparitahan’ilay otrik’aretina coronavirus. Manoloana io tranga io dia tsy maintsy nandray ireo mpanjifa ihany ny JIRAMA saingy nitaky kara-panondrom-pirenena kosa. Ny mba hahafahana manaraka ireo olona ireo raha sanatria ka misy tranga no antony hahafahana mifehy faran’izay haingana ny fiparitahan’ilay otrik’aretina coronavirus.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT