Sosialy

Jimmy Randrianarisoa Vonona hampandroso an’Alasora miaraka amin’ny vahoaka


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Asa avy hatrany fa tsy kabary no entin-dRandrianarisoa Jimmy, Ben’ny tanànan’Alasora hampandrosoana ity kaominina ity ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : “Alasora iombonana, mahate-honina” !

 

 

 

Teboka miisa folo no hiaingany entiny manatanteraka izany ka lohalaharana amin’ireny ny famerenana ny hasin’ny fambolena sy ny fiompiana ary toeram-pamokarana. Eo ihany koa ny famahana ny olan’ny fitaterana sy ny lalana, ny fampidirana rano fisotro madio sy ny fifehezana ny lafin’ny fahadiovana sy ny fidiovana, ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fanomezan-danja ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fialam-boly, ny fanatsarana ny fampianarana amin’ny alalan’ny famatsiana “cantine scolaire” ireo sekoly mbola tsy manana izany, ny resaka fahasalamam-bahoaka izay hisy fiara mpitondra marary vaovao hiasa mihitsy afaka fotoana fohy ary maimaim-poana avokoa izany ho an’ny rehetra, ny famahana ny olan’ny fananan-tany, ny fanampiana ny zokiolona sy ny kamboty ary ny mananontena ary farany izay tsy kely akory dia ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny any ivelany sy ireo kaominina manodidina. Nivoitra ireo nandritra ny fametrahana tamim-pomba ôfisialy tamin’ny toerany ity Ben’ny tanàna natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ity izany marihina fa teknisiana no sady zanak’Alasora ihany. Nomarihiny manokana moa fa ankoatra ireo dia hiezaka ny tenany hanitsy ireo mpiasan’ny kaominina sasany mba hahafahana manatsara ny tolotra omena ny vahoaka satria ireto farany no andrianina. Olo-manan-kaja maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana nafanain’ireo mpanankato malaza zanak’Alasora.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT