Sosialy

Jeunes TIM Antananarivo-Renivohitra Mihetsika indray… amin’ny asa sosialy


  • Alakamisy 08 Martsa 2018

Manomboka asa sosialy eto Antananarivo ny Jeunes Tim Antananarivo-Renivohitra tarihan’ny filohany Razanadrakoto Heriniaina Solofo notronin’ny filoha lefitra Andriamiandrisoa Marina sy ny mpanolotsaina monisipaly Lalaina Rabezanahary.

Nosantarina teny amin’ny Boriborintany faha-6 ny hetsika fifaninanana mahay manasa lamba an’ireo vehivavy tao amin’ny fokontanin’Ambodivonikely omaly alarobia 7 martsa ho tohin’ny efa natao teny Ambohimanandray ny talata 6 martsa 2018 teo.

Nidina ifotony tao amin’ity fokontany .ambodivonkely ity koa ireo tanora ireo, handinika ny fomba handritana ny rano nitoby tamina faritra maromaro tao hatramin’ny volana desambra ka tapaka ny hiaraha-miasa amin’ny mpamonjy voina na « pompiers » amin’ny fitrohana ny rano sy fanariana azy any amin’ny  canal C3 ry zareo. Efa manomboka miteraka aretina ho an’ny mponina ny loto sy fofona avy amin’ireo rano ireo, araka ny fitarainana voaray.

Hajarin’ireo tanora ihany koa ny tetezan-kazo lehibe fivezivezen’ny olona ao an-toerana ary hatao « béton » ny tongony mba hampaharitra azy. Hotohizana any amin’ny boriborintany hafa ny hetsika nosantarina teny Ambohimanarina ity. Nampahafantarina fa miainga amin’ny  filan’ny fokontany avy amin’ny tatitra ataon’ny mpikambana tsirairay no hanapahana ny tetikasa hotanterahina.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT