Sosialy

“Jeunes cadres” avy any Androy Nahatsiaro ho natao anjorom-bala hatramin’izay


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Nitaraina mafy ireo tanora mivondrona ao anatin’ny jeunes cadres avy any Androy omaly alarobia 24 jolay raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.

 

 

 

Nandritra ireo fitondrana nifandimby teo aloha hatramin’izay mantsy, hoy izy ireo dia natao anjorom-bala hatrany izy ireo nefa manana tanora manampahaizana maro. Manana traikefa ihany koa ary manana ny mampalaza azy  manokana ny faritra niaviany. Anisan’izany ny omby izay tena harena  mampiavaka antsika eto Madagasikara tokoa. Tokony hanana toerana ao anatin’ny governemanta vao hatsangana izy ireo hahafahany mandray anjara amin’ny asa fampandrosoana ihany koa. Efa maro tamin’izy ireo mantsy no manana traikefa  tamin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena, raha ny fanazavana azo omaly. Hanatona ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka izy ireo hitondra ny hetahetan’ny foko Antandroy hanomezana azy ireo ny toerana sahaza azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT