Sosialy

Jenny zazakely jamba Horaisin’ny Ben’ny tanànan’Ivato an-tanana ny fampitana azy


  • Talata 06 Aogositra 2019

Zazavavy kely vao dimy taona monja nanana olana ara-pahitana hatrany an-kibon-dreniny i Jenny kely.

 

 

 

Ao Mandrosoa Ivato  izy ireo no mipetraka ary izy no voalohan-janak’ireo ray aman-dreniny. Teo amin’ny fahatelo volany anefa vao fantatr’izy ireo izany ka niezaka ny nampianatra azy  tany amin’ireny  sekoly mandray an-tanana ireny olona manana ara-pahitana ireny ireo nahitany masoandro.  Mahatsiaro sahirana tanteraka izy ireo ankehitriny ka tsy manana fahafahana ny hanohy izany intsony. Horaisin’ny Ben’ny tanànan’Ivato Penjy Randrianarisoa ny fampianarana azy any amin’ny sekolin’ny jamba any Antsirabe manomboka izao. Izy avokoa no hiantoka ny lany rehetra mandrapahafak’i Jenny kely ny fanadinana  Bakalôrea. Raha ny fantatra , efa nianatra ihany i Jenny teo aloha. Efa  nahay nanoratra kely  izy saingy tsy araka ny saram-pianarany isam-bolana. Tsiahivina fa efa asa soa fanaon’ity Ben’ny tanàna ity ny fitsinjovana ireo mponin’Ivato tahaka  izao, indrindra fa ireo niangaran’ny vintana sy ireo tena sahirana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT