Sosialy

Jean Pierre Randrianamboarina “Ahiana hiteraka fipoahana sosialy ny fiverenana mihiboka”


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Nanamarika ity taona 2020 ity, hoy ny mpanao politika, Jean Pierre

 

 

Randrianamboarina, ny fisiana tandrevaka nataon’ny fitondram-panjakana teo amin’ny fitantanana ny valanaretina Coronavirus. Mandeha moa ny siosion-dresaka hoe mety hiverina hihiboka ny eto Madagasikara. Raha izany no sanatria misy dia ahiana ho fipoahana ara-tsosialy no aterany, hoy izy, satria hitan’ny Malagasy ho tsy dia mandaitra aminy io aretina io. Natao ho an’olona marefo amin’ny resaka hery fiarovana izany. Misy tokony hamonjena aingana ny ain’ny vahoaka Malagasy. Tsy ny any atsimo irery no tratry ny kere fa ny Malagasy manontolo. Mila stratejia iarahan’ny rehetra izany. Taonan’ny tsy fahombiazana ho an’ny vahoaka Malagasy ary nitondra zava-dratsy ny 2020. Tsy vahaolana ny valifaty politika, noho izany, fa ny fanitsiana ny tsy mety no tokony himasoan’ny fitondrana. Nanamarika ny tena manokana ny naha kandida niharan’ny hala-bato tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo, hoy ity kandida natolotry ny antoko politika Tia tanindrazana tao amin’ny kaominin’Ambatomarina, distrikan’i Manandriana, faritr’Amoron’Imania ity. Ny tena moa tsy nitory satria efa iaraha-nahalala ilay teny nalaza hoe “azo raisina fa tsy mitombona”. Ny hany teniko dia ny hoe Andriamanitra tsy andrinao andriko ihany, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT