Sosialy

Jean Nirina HAFARI Hatao fanadihadiana eny amin’ny Bianco anio


  • Talata 29 Oktobra 2019

Raha noheverina fa efa nangina ilay raharaha kianjan’Anosizato nampiditra am-ponja ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina volana vitsivitsy lasa izay, dia nihetsika indray izany.

 

 

 

 Raha araka ny vaovao azo dia hampanantsoina eny anivon’ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly                    ( BIANCO) eny Ambohibao indray ny tenany anio talata 29 oktobra mba hanaovana fanadihadiana. Raha tsiahivina kely moa ny tantara dia lasana teratany karana ity kianjan’Anosizato ity izay toerana nilalaovan’ny mponina baolina teo aloha. Nifamahofaho be ihany ny zava-nitranga tao anatin’izany ka niafara tamin’ny fampidirana am-ponja an-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Taorian’izay ity farany no nilaza fa tsy hiandraikitra ny resaka fiarovana ny zon’olombelona eo anivon’ny fikambanana misy azy intsony. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT