Sosialy

Jean Nirina HAFARI Hanampy amin’ny fiarovana ny zon’ny voafonja


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Taorian’ny fidirany am-ponja in-telo miantoana dia tapa-kevitra ny filoha nasionalin’ny Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa hamindra amin’olon-kafa ny fitantanana ny resaka zon’olombelona eo anivon’ny fikambanana tarihiny.

 

 

  Hirotsaka an-tsehatra amin’ny fanampiana sy fiarovana ny zon’ny voafonja kosa ny tenany ankoatra  ny fananganana  tanàna vaovao efa  nahafantarana azy hatramin’izay ary ny angovo azo havaozina sy ny fampiroboroboana ny fampananan’asa. Samy tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny fitondram-panjakana avokoa ireo raha  ny nambarany ka ny tanjona dia ny hananantsika firenena mandroso. Mikasika ny zon’ny voafonja manokana dia nomarihiny fa tsy izay rehetra mifonja akory dia olo-meloka avokoa ka tokony hampijaliana. Manana  ny zony izy ireny raha toy ny fipetrahana amin’ny trano ara-dalàna sy madio, ny zo hisakafo sy hotsaboina raha marary, ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana ary ny fanafoanana ireo mpisoloky maka  ny volan’ireo olona notoriana. Handrafitra volavolan-dalàna mifandraika amin’izany ny fikambanana Hafari Malagasy ary hatolony ny fitondram-panjakana.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT