Sosialy

Jean Nirina – FITRAMA Miantso ny rehetra tsy hihinana sakafo misy akora simika


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Be dia be ny aretina mahazo ny Malagasy amin’izao raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny

 

 

 orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ankoatra ny valan’aretina Covid 19 hoy izy dia mahazo vahana koa ny diabeta, ny fo izay miteraka fivontosana, ny romatisma, ny prostaty…. Amin’ny ankapobeny anefa hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia vokatry ny sakafo hanina avokoa no mahatonga ireny karazan’aretina ireny. Anisan’ireny ny sakafo matsiro indrindra fa ny fihinanana ireo karazan-tsakafo feno akora simika. Miantso ny rehetra mba hanjifa sy hihinana ny sakafo tena natoraly araka izany Rafanomezantsoa Jean Nirina. Na salama aza ny olona iray raha araka ny fanazavany dia tokony hihinana tantely sy soja hatrany hampiakarana ny hery fiarovana sy ho fitandroana ny fahasalamana. Misy hifandraisany betsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny fahasalamana hoy hatrany izy. Rehefa voaaro mantsy ny ala sy ireo zava-manan’aina mivelona ao anatiny dia manan-karena zava-maniry isika hahafahana mitsabo ireo karazan’aretina maro samihafa. Nomarihiny manokana moa fa amin’ny alalan’ny zava-maniry sy ny otra no hitsaboan’izy ireo ka ho an’ity farany dia ny menak’omby sy ny sakamalaho no tena hampiasainy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT