Sosialy

Jean Louis Robinson “Hampianatra antsika hiala amin’ny fahantrana ny Sinoa”


  • Alatsinainy 28 Jona 2021

Nampita ny fiarahabany ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka malagasy noho ny fahatrarana ny fanamarihana ny faha 61 taona nahazoana fahaleovantena ny 26 jona

 

 teo ny ambasadaoron’ny firenena Malagasy ao Sina, Jean Louis Robinson. Nankalaza izany tamin’ny fomba mendrika koa izahay malagasy monina eto Sina, hoy izy. Nasongadina ny sary famantarana sy ny tarigetra hoe « Malagasy miray, miara-mientana ho an’ny fitiavan-tanindrazana ». Nisy ny fiaraha-mikorana sy misakafo tamin’ireo mpianatra ary nilazako fa manana tombony I izay tokony ho zaraina amintsika ny sinoa. Napetraky ny filoham-pirenena Sinoa, Xi Jinping, amin’ny alalan’ilay hoe “communauté de destin” fa mitovy ihany ny lalan-kizorana amin’ny fialana amin’ny fahantrana. Vonona izy ireo, noho izany, hanampy sy hampianatra antsika momba ny fialana amin’ny fahantrana. Efa noporofoiny tamin’izao tontolo izao fa tafavoaka amin’ny fahantrana izy. Eo koa ny politika “Gagnant-gagnant” izay velomin’izy ireo amin’ny hoe “la ceinture et la route”. Hahazo fiaraha-miasa daholo izay tafiditra anatin’izany ary isika malagasy no nanasonia azy voalohany. Am-pandinihana ny tetikasa rehetra mba hahatomombana ny fanatanterahana azy izahay izao ka vao vita fotsiny ity resaka Covid ity dia ho atao vaindohan-draharaha ny momba izany ary samy mahazo ny firenena roa tonta, hoy hatrany ity ambasadaoro ity tamin’ny antso an-telefaonina.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT