Sosialy

Jean Jacques Ratsietison “Efa tena famonoan’olona izao’’


  • Talata 12 Jolay 2022

Miakatra ny sandam-bola dia miakatra daholo ny vidin’entana, hoy ny mpahaitoekarena, Jean Jacques Ratsietison. Rehefa miakatra koa ny lasantsy dia vao mainka miakatra ny vidin’entana,

hoy izy. Mbola hiakatra izany io vidin’entana efa tsy zakan’ny olona io dia ahoana ny fitondram-panjakana amin’izany? 110 sy 120 dolara no fototry ny vidin-tsolika eto fa averiko foana. Vidiny iraisampirenena tamin’ny 2012 hatramin’ny 2014. 3370 Ariary tamin’izany ny litatry ny lasantsy. 2015 io nidina 40 dolara, izany hoe nidina tamin’ny ampahatelony, fa mbola niakatra 3560 Ariary ny antsika. Avy aiza ny rafi-bidy na “structure de prix” mahatonga io 4900 sy 5900 Ariary io fa vonona hanao fitsirihana aho. Omeo alalana aho fa mpanao izany eo amin’ny sehatra iraisampirenena na “audit international” no asako. Omeo alalana aho raha tsy hainareo ny manao azy fa aza mamahan-dalitra ny malagasy. Famonoan’olona izao. Ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao efa tsy tantin’ny olona dia mbola ampian’io lasantsy miakatra io. Mila raisina tsirairay ny fanazavana fa tsy mitombona raha fanazavana faobe toy ny nataon’ny minisitera. Ohatrinona no andraisana azy any am-potony? Tsy misy idiran’ny lalana io fa rehefa tonga io dia ao Toamasina. Tamin’izany nolazaina fa mbola mandoa trosa ny fanjakana. Aleo tsirihako, hoy aho. Mbola hiakatra indray ny vidim-piainana ary mbola tsy hiodina ny toekarena satria ny mampiodina azy dia ny ambim-bava avy amin’ireo olona niasa. Rehefa tsy misy ambim-bava izy dia tsy afaka mividy afa-tsy sakafo dia tapitra. Voaporofo izany izao. 28 tapitrisa isika. Raha misy olona manam-bola afaka manao trano na misy malagasy manana orinasa mpanao trano dia tsy tokony hihodina ve izany ? Tsy mila FMI sy banky iraisampirenena izany fa mila olona manana fahefa-mividy, hoy hatrany ity mpahaitoekarena ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT