Sosialy

JAONA ELITE Halevina rahampitso eny Ankatso


  • Talata 09 Jolay 2019

Halevina rahampitso alarobia 10 jolay eny amin’ny fasan-drazany eny Ankatso ny nofo mangatsiakan-dRandriarimalala Harijaona, fantatry ny maro amin’ny anarana Jaona Elite.

 

Mialoha izay anefa dia eny amin’ny fiangonana Fjkm Andravoahangy Fivavahana no hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra farany ny nofony, raha araka ny loharanom-baovao azo.Handalo eny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza ihany koa ny nofo mangatsiakany anio talata hariva. Tsiahivina moa fa vokatry ny fijanonan’ny fitem-pon’ny fo tampoka no nahafaty ity raim-pianakaviana mpandraharaha sady mpanao hazakazaka fiarakodia sokajy « run » ity.  Teny amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka no nitondrana azy taorian’ny tsy fahatombanana tampoka nahazo azy kinanjo tsy tana intsony ny ainy. Eny amin’ny tranony eny Mandrosoa Ivato moa no  andrasana ny razana hatramin’ny omaly alatsinainy alina. Namela mananon-tena sy kamboty telo Itompokolahy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT