JAONA CLÉMENT

"Zava-poana ny asa atao raha tsy voakarakara ny mpiasa"


  • Alarobia 04 Septambra 2024

Tsy mora ny fanarenana an’Antananarivo” hoy Atoa Jaona Clément Nirintsoa

filohan’ny syndicat autonome de la commune urbaine d'Antananarivo. Isany laharam-pahamehana hoy izy ny fanohizana ny fanalana ny fako, fanamboaran-dalana, fandaminana sy fanadiovana an’Antananarivo. Nandray ny asany iny ny PDS vaovao, Rtoa Harilala Ramanantsoa saingy tokony hihamafy hatrany, hoy izy ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiasa izay isany fitaovana ahafahan’ny PDS manatanteraka ny asa tiany atao eto amin’ny tananan’Antananarivo. Ankoatra ny fiaraha-mientana amin’ny fanarenana an’Antananarivo dia mangataka ny hijerena manokana hatrany ny ny mpiasa izay mpanatanteraka ny asa ny syndicat autonome de la commune urbaine d'Antananarivo satria mety ho zava-poana foana ihany ezaka atao ho an’ny tanànan’Antananarivo raha tsy mandray karama ara-dalàna izy ireo. Mangataka fihaoanana amin’ity farany moa ny sendikan’ ny autonome de la commune urbaine d'Antananarivo raha ny fanambarana nataony omaly.
Lalaina RAV 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT