IVOTOERAN’NY FAHAMARINANA

Mandray ihany koa ny fitarainan’ny mpiasan’ny « zone Franche »


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

Am-perinasa tanteraka ary maharay fitarainana isan’andro ny ivotoeran’ny fahamarinana

Efa nisy nitaraina momba ny jirama, tao koa ny resaka aditany amin'ny samy mpiray monina, misy tsindry hazo lena sy kolikoly be dia be amin’io sehatra io. Maro ny mpiasan’ny orinasa afakaba hafa na zone franche nandalo nametraka fitarainana, ka ho jerena manokana izy ireny, hoy ny tompon’andraikitra. Mandray an-tanàna ny fitarainana mahakasika ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ihany koa ny ivotoerana Mila mahafantatra ny zony ireo mpiasa ary miteny sy milaza ny misy sy marina mba hahafahana manampy sy miaro azy ireo. Vonona hifandray sy hihaino azy ireo izahay , hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny ivotoeran’ny Fahamariana izay manana ny foibeny etsy Soanierana. Mandray an-tanana ny momba azy ireo, manadihady sy mitondra ny fitarainana eny amin'izay iantefany. Arahana akaiky ny dosie ary manoro hevitra amin'ny fomba hampahomby ny fitorohana ataony ivotoerana. Eny soanierana no misy ny ivotoerana (Serasera : 038 69 910 87).
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT