Sosialy

Ivato sy Talatamaty Orinasa afaka haba maromaro no narahi-maso tampoka


  • Talata 17 Janoary 2023

Orinasa afaka haba maromaro no nanaovan’ny Ministeran’ny asa sy ny fampananan’asa fidinana tampoka omaly teny Ivato sy Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo teny.

Raha araka ny fantatra mantsy dia maro ireo fitarainana azo avy amin’ireny mpiasan’ny orinasa afaka haba ireny indrindra fa ireo misehatra amin’ny zaitra toy ny fampiasana mafy azy ireo loatra, ny tsy fanomezan’ny mpampiasa karama ny sasany... indrindra fa ho an’ny vehivavy. Tanjon’ity ministera iray ity rahateo amin’ity taona 2023 ity ny asa mendrika ho an’ny rehetra. Tsy hitsahatra moa izao fidinana ifotony izao fa hitohy hatrany amin’ny faritra raha araka ny fantatra hatrany. Hojerena koa araka izany ny sehatry ny varotra izay maro olo-pirenena manao asa tsy ara-dalàna.Mikasika ny Faritra Anosy sy SAVA manokana dia fantatra fa hitsirika manokana ny fampiasana ireo zaza tsy ampy taona eo amin’ny sehatry ny lavanila sy ny fitrandrahana ela-drano izy ireo. Orinasa miisa 455 raha kely no mbola hotetezin’ity Ministera ity hahafahana manafoana ireo karazana herisetra mahazo ny mpiasa eto amintsika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT