Sosialy

Ivato Notifirin’ilay zandary ilay lehilahy nanadala ny sipany


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Nirefotra ny basy teny Ivato omaly 1 janoary vao mangiran-dratsy, nijininika ny ra ary maty tsy tra-drano ny lehilahy iray.

 

 

 

Raha ny fitantaran’ny fitantaran’ny fianakavian’ny maty dia noho ny hasarotam-piaro no nahatonga ny zandary iray, izay efa somary mamo ihany namoaka basy ary nitifitra avy hatrany ity lehilahy ity.Mitazona toeram-pisotroana na “BAR” mantsy ny sakaizan’ity zandary ity, efa samy misotrosotro moa ny rehetra, ny andro rahateo fety satria taoriana kelin’ny fitsimbadihana aty amin’ny taona vaovao 2020 no nitrangan’ny seho.Nambaran’ilay zandary, hoy hatrany ny filazan’ireo nanatri-maso fa nanadala ilay sakaizany ilay lehilahy ka izay no nahatezitra azy ka namoahany ny basiny.Tsara ho marihana fa nanao fanamiana sivily ity nitifitr’olona ity.Nanambara ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa efa nosamborina ilay nahavanon-doza ary nogiasana ny basy teny aminy.Efa nivoaka ihany koa ny didy sy fahazoan-dalana hanao ny fanenjehana araka ny lalàna ity zandary ity ary mandeha ny famotorana ka hiakatra fitsarana ny raharaha aorian’izay.Manamafy ny zandarimariam-pirenena fa ao anatin’ny fotoam-panadiovana anatiny ka tsy mitahiry olon-dratsy.Efa mazava ny amin’iny fa any amin’ny fanaraha-maso ny fivoahan’ny basy ny fitazonana azy angamba no tena mila fanenjanana, tsy ho an’ny zandary ihany fa na polisy ion a miaramila satria efa iaraha-mahalala ihany ny olona rehefa nisotrorotro izay fa mety tsy mahatsindry fo, eny fan a dia efa nahazo fiofanana manokana aza.Fanontaniana mipetraka izao ny hoe : fa am-perinasa angaha sa nampanaovina iraka manokana ity zandary manao fanamiana sivily ity no nitondra basy andro fety ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT