Sosialy

ITAOSY-ZOTRA KOMAFILA Mihamafy ny fampijaliany mpandeha


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Mihamahafy hatrany ny fampijaliana ataon’ireo taksibe ao amin’ny zotra KOMAFILA mampitohy an’ny Cnaps Ampefiloha amin’ny Cité des assureurs Itaosy ankehitriny,

 

 

indrindra taorian’ny nilatsahan’ny ranon’orana.  Vao maraina miainga any amin’ny tobim-piantsonana  Itaosy mantsy izy ireo dia efa milaza fa eny Anosizato no farany ary tena sahiny tokoa ny manary ireo mpandeha eny an-toerana. Rehefa hariva indray dia lalovan’izy ireo fotsiny ny tobim-piantsonana toy ny eny Soanierana sy Ankadimbahoaka ka raha mbola misy mpandeha misisika hiditra dia ilany vaniny.  Hanontaniany hatrany hoe : aiza no miala raha efa fantany tsara  izao fa hamonjy fodiana eny Itaosy. Rehefa hitany fa miezaka mitaky ny zony ireo mpandeha ary tsy mamaly ny fanontaniany dia havoakany eny am-pandehanana avy hatrany sady mbola arahiny rahom-bava ihany koa. Mpandeha maromaro no nataona  mpamily sy mpanampin’ny mpamily ao amin’ny zotra komafila  izany afak’omaly na dia avy aza ny orana. Betsaka tamin’ireo mponin’Itaosy moa no efa nanatona ny filohan’ity koperativa ity saingy tsy nahazo valiny mahafa-po. Asainy mandrakitra an-taratasy ny fitarainany ireo mpandeha nefa tsy misy akory ny fandraisana fepetra. Hangatahina ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny minisiteran’ny fitaterana mba hijery manokana ity zotra komafila mihazo an’Itaosy ity sy ny komifi izay samy misy tsipika manga ny valahiny.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT