Sosialy

Itaosy sy Ampitatafika Omena rano maloto mihitsy ve ny mponina ?


  • Alakamisy 18 Novambra 2021

Miverina indray ny rano maloto sy ranom-potaka tonga any an-tokantranon’ny Mpanjifa amin’izao fotoana izao. Maro ny fitarainana voaray omaly maraina mikasika an’io,

 fa isan’ny nisongadina sy nahazoana fanamarihana betsaka ny teny Itaosy, Ampitatafika,…Nalefa ny paompy vao maraina tany ho any amin’ny 4 ora sy sasany tany fa tonga dia rano hafahafa be tahaka ireny hoe avy nanakobanana lamba na lovia ireny. Tsy fantatra intsony hoe inona no antony? Rano avy aiza io? Avy amin'ireny fotodrafitrasa lazaina fa mpanadio rano ireny ve sa avy eny Mandroseza ? Ny fantsona toa efa nosoloina sy namboarina ny ankamaroany sa mbola resaka fantsona harafesina hatrany no voalaza fa antony ? Iza no afaka manome toky fa rano fisotro madio ireny tonga any an-tokantrano ireny? Teny Ampitatafika nisy nilaza hoe narary kibo. Olana tamin’ny milina mpanadio rano ve sa inona loatra? Dia tsy misy manam-pahaizana afaka nanadio rano mihitsy ve teto raha handany vola ihany? Angaha tsy misy zavatra azo nafarana avy any ivelany manadio an'io raha tsy mahomby na tsy mety intsony ny efa misy? Ekena fa miha olana izao ny famatsian-drano fa tsy midika izany hoe omena rano maloto ny mpanjifa mandoa vola sy hetra isam-bolana. Tsy tena misy fanazavana ofisialy sy fialan-tsiny, fa toa vitavita ho azy eny. Sanatrian’ny vava hiandry fahatezeram-bahoaka ve vao ho taitra sy hikorapaka eo anatrehan’itony toe-javatra toa mitady hanana endrika tsy firaharahiana sy fanambaniana itony? Ekena ary tena marina, fa tsy hisy Malagasy dia tena hanana fahalotoan-tsaina hanao fanahy hiniana andeha hampihinana sy hampisotro rano maloto ny mpiray tanindrazana aminy, fa heverina ho tsirambina eo amin’ny asa sy ny tolotra ho an’ny vahoaka izao, ka mila handraisana andraikitra hentitra mba tsy hiverenany intsony. Tsy dia tena miraharaha izay mety ho ala olana ara-teknika any ny olona, fa ny fantany dia ny hoe: mandoa vola isam-bolana izy, ary tokony hifanaraka amin’izany ny tolotra sitrahany. Tsara ho marihina fa niverina nadio tahaka ny endriny mahazatra ny rano nanomboka omaly tolakandro, asa indray izay hitranga anio sy rahampitso, hoy ireo mponina lasa mitebiteby isan’andro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT