Sosialy

Itaosy Notsindronin’ny vadiny ny antsy ilay tovolahy


  • Alatsinainy 25 Martsa 2019

Tovolahy iray vao erotrerony no voatsindron’antsy teny Itaosy omaly.Naratra ny tovolahy kanefa raha ny fampitam-baovao farany voaray tamin’ny nanoratana dia tsy misy ahiana ny momba ny ainy.

 

 

 

 

Teo amin’ny kibony no voa ary raha nyfantatra dia ny vadiny ihany no nanindron’antsy ity tovolahy ity.Mifamaofao be ihany ny vaovao saingy fantatra kosa fa nisy ny fifandirana teo amin’ny roa tonta, nipoitra ny fifamaliana ka mety niakatra mafy ny feo angamba dia niafara tamin’ny fikasihan-tanana toa izao.Tsapa tato ho ato izay fa miha mahery setra tokoa ny olona, tsy mijanona amin’ny fifamaliana intsony fa tsy maintsy miafara amin’ny fifampikasihan-tanana foana, ary indrisy fmisy ireo mmaratra, mitondra takaitra ary mamoy ny ainy mihitsy aza.Sokajiana ho faritra mena amin’ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana ny eny Itaosy, maro be ny mponina eny avy amina faritra maro eto amin’ny nosy ary samy manana ny seha-pihariany sy ny fombany.Tena maro be ihany koa ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola, ary anisan’ny faritra malaza amin’ny fifohana rongony ny eny Itaosy sy ny manodidina.Izay angamba no mampirongatra ny herisetra isan-karazany eny an-toerana, izay tsy mijanona amin’ny fanafihana intsony fa efa tena tonga hatrany amin’ny ady an-tokantrano koa izany.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT