Sosialy

ISOTRY Ireo mpivarotra hani-masaka sisa tavela


  • Alarobia 15 Aprily 2020

Maro ireo fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana manoloana ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19, ka anisan’izany ny famerana ireo olona afaka mivarotra sy ny fotoana azo hivarotana.

 

 

 

 

Manoloana ny fahamaroan’ny olona mbola Nivarotra sy nifamezivezy teny amin’ny faritra Isotry iny dia nanao fanambaràna ny polisim-pirenena avy eto amin’ny CSP4 Isotry ho fampahatsiahivana ireo fepetra izay efa noraisina. Tsy azo hatao intsony ohatra ny mivarotra eny amin’ny faritra Isotry ankoatr’ireo mpivarotra hani-masaka irery ihany. Ireto farany izay nomena fahazona-dalana hivarotra hatramin’ny 12 ora atoandro. Ny ankoatr’izay dia tsy tokony hivarotra mihitsy. Izany fepetra izany no natao dia mba ho fiarovana ny rehetra manoloana izao ady amin’ny valan’aretina izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT