Sosialy

IRAY VOLAN’NY ANKIZY SY FETIM-PIRENENA Nizarana harendrina ireo mpianatry ny EPP Mahavelona


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Betsaka ireo ankizy tsy mba afaka mifaly amin’izao fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona izao.

 
Na dia harendrina iray aza mantsy tsy voavidin’ny ray aman-dreniny ho azy ireny noho ny fahantrana lalim-paka mianjady amin’ny tokantrano Malagasy ankehitriny. Ho an’ireo ankizy mpianatry ny EPP ao Andranovelona dia saika zanaky ny sahirana ara-pivelomana avokoa izy ireo. Betsaka amin’izy ireo no tsy mihinana sakafo in-telo isan’andro toy ny mhazatra intsony, antony nanosika ny Airtel hijery sy hanampy manokana azy ireo. Tonga nanolotra harendrina ho azy ireo omaly, ireo mpanao asa an-tsitrapo eo anivon’ity orinasam-pifandraisana iray ity, notronin’ny tale jeneraliny Maixent Bekangba. Nambaran’ny mpanome fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volana ho an’ny ankizy izao fizarana fanomezana izao sady hanomezan-danja ny faha-58 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ihany koa. Tsiahivina moa fa anisan’ny sekoly ambaratonga fototra mahazo fanampiana avy amin’ny Airtel hatrany ny EPP Mahavelona noho izy ireo maro ankizy zanaky ny sahirana.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT