Sosialy

Inspektoran’ny tahirim-bolam-panjakana Miantsoroka andraikitra maro lafy


  • Talata 12 Jona 2018

Ny didim-panjakana lah 62-098 tamin’ny 28 febroary 1962 no mamaritra ny andraikitry ny inspektoran’ny tahirim-bolam-panjakana (IT). Izy no sefo mpanampy na mpitantana amin’ny sehatra fitantanana kajy (comptabilité).

 

 Na izany aza anefa dia manatanteraka ny asan’ny Tahirimbolam-panjakana avokoa na ny inspektora na ny mpiasa eo ambaniny. Ankoatra izay, miandraikitra ny resaka famoaham-bolam-panjakana ny IT na amin’ny lafiny fitantanana na amin’ny lafiny kajikajy (comptabilité). Ilaina ny mahafantatra ny tena andraikitra tazonin’izy ireo satria ain’ny toekarena sy ny asa fandraharahana no kirakiraina. Raha ny andinin-dalàna faha-12, ny olona atao hoe IT ho an’ny fikirakirana ny kajim-pihariam-bahoaka (comptable public) dia ilay lehibena sampandraharaha ao (chef de poste). Izy ihany koa no manao ny fahazoan-dalana ho an’ny mpiasa hanao ny fanamarinana rehetra momba ny famoaham-bolam-panjakana. Marihina fa toerana (poste) ny IT fa tsy andraikitra (titre), araka izany ny trésorier général na directeur de la comptabilité publique na chef de service administratif et financier dia azo antsoina ho IT daholo.

 

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT