Sosialy

Imorona - Mananara Avaratra Naolany ny zafikeliny vao 11 taona monja


  • Alarobia 27 Mey 2020

Tsy tsara intsony ny mahatokitoky olona. Lehilahy iray 58 taona efa Dadabe no nahavita nanao herisetra ara-nofo tamin’ny zafikeliny vavy vao 11 taona monja tany Imorona, distrikan’i Mananara Avaratra.

 

 

 

 

 

Ny misandratr’andron’ny 22 mey lasa teo no nitrangan’izany. Tsy nahatanty izany ireo fokonolona tao an-tanana ka avy hatrany dia nisambotra ity dadabe tsy mataho-tody ity niaraka tamin’ny polisy kaominaly. Natolotra ny zandary ny atoandron’ny 23 mey 2020 lasa teo ny lehilahy noho izany. Notazomina natao famotorana avy hatrany izy ary efa natolotra ny fampanoavana. Tsiahivina moa fa mpamboly ity lehilahy nanolana ny zafikeliny ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT