Sosialy

Ilanivato Lambamenana Notrohan’ny CUA ny rano mihandrona


  • Alarobia 16 Janoary 2019

Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika izao, ka maro amin’ireo faritra iva eto an-drenivohitra no dibo-drano na ny lalana na ny any anaty tanàna. Anisan’ireny ny eny Ilanivato Lambamena ho any Anosipatrana, Boriborintany faha-4, Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

 

 

 

 Nandray andraikitra nitondra vahaolana tamin’ny fitrohana ny rano ny CUA. Nanome toromarika ny mpiara-miasa ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, tamin’ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny boriborintany faha-4 sy ny mpamonjy voina hanala avy hatrany ireo rano mihandrona, mba hanalana fahasahiranana ny mponina. Vonjimaika ihany ny nanesorana io rano be io, fa hisy ny vahaolana maharitra ataon’ny kaominina, mba tsy hiverenany intsony araka ny fanambarana nataon’ny delegen’ny boriborintany fahefatra, Solofo Ramahandrimanana. Naneho fankasitrahana ireo mponina ao an-toerana ihany koa izy tsy nikely soroka niara-nisalahy tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny hijerena vahaolana miaraka sy nanampy ara-pitaovana sy olona.

Toky R

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT