Sosialy

“Humanity Generosity Hug” Nizara fitaovam-pianarana teny Ankazomanga


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Ho fampihenana ny tahan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly vokatry ny krizy nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 dia tonga nizara fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy mpianatra teny amin’ny Fokontany Ankazomanga sy

 

 

Andohatapenaka omaly ny fikambanana Humanirty Generosity Hug, natsangan’i Bodo mpihira. Ankizy zanak’olona sahirana sy kamboty no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany izay miisa 430, manomboka ao amin’ny kilasy garabola ka hatrany amin’ny kilasy famaranana. Ny hisorohana ireo Ray aman-dReny mety alaim-panahy tsy hampianatra an-janany vokatry ny fahasahiranana hoy i Bodo no tanjona, hetsika izay efa nosantarina tamin’ny alalan’ilay “ le lendemain dans la main”, nanangona tsipaipaika avy tamin’ireo tsara sitra-po nahafahana nividy ireto fitaovam-pianarana nozaraina ireto. Nahitana kahie, penina, karazana fitsipika…. izany lisitra nalaina teny anivon’ny sekoly mihitsy mba tsy hanahirana ireo Ray aman-dReny intsony. Ankoatra ireo Fokontany roa ireo dia hahazo tombony ihany koa ireo ankizy ao amin’ny Fokontany Andravoahangy Atsinanana, Ampahibe, Ambohibary, Ampandrana, Betongolo, Ankorondrano atsinana sy andrefana ary ambohitrakely. Tsiahivina moa fa efa nanao asa soa hatramin’izay i Bodo mpihira. Ankizy 250 ohatra no efa nampiany tamin’ny taona 2017, 300 tamin’ny taona 2018, 200 tamin’ny taona 2019 ary tafakatra 430 tamin’ity taona ity noho ny krizy nateraky ny valan’aretina. Hisy moa ny fitadiavana binome ho an’ireto ankizy ireto na eto an-toerana izany na any ivelany hahafahan’izy ireo mamita hatramin’ny farany ny fianarany. Hisy ihany koa ny fanomezana cours maimaim-poana ho an’ireo izay tsy manana olana amin’ny fiatrehany ny fianarany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT