Sosialy

Hopitaly miaramila Soavianandriana Arirarira ny fisotroan-drononon’ny mpiasa


  • Talata 27 Aogositra 2019

Tsy misitraka ara-dalàna ny vola fisotroan-drononony na ny “pension” tokony horaisiny hatramin’izao ireo mpiasam-panjakana misotro ronono na « fonctionnaires retraités » tamin’ny 2016 tao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana (CENHOSOA),

 

 

 araka ny fitarainana avy amin’ireo tratran’izany. « Ho tapitra ihany ity ny taona 2019, tsy aloan’ny CENHOSOA ihany ny vola tokony harotsany any amin’ny tahirim-bolam-panjakana na ny “Trésor” handoavany ny pension ho an’ireo misotro ronono », hoy izy ireo. Amin’ny maha olombelona, mila misitraka izany zo izany izahay. Sa efa vita tokoa ny nilana anay dia atao toy ny tahom-boanjo ?  Mba miezaka manatona manontany ny tompon’andraikitra ihany izy ireo, saingy valin-teny tsy miova no azony, dia ny hoe « haloan’ny hopitaly io ato ho ato » kanefa tsy misy famaritana mazava fa toa fanaboriboriana resaka no handraisan’ireo mpiasa izany. Fony mbola am-perinasa anefa dia nanesorana isam-bolana ny karama noraisina satria narotsaka any amin’ny “finance” hitsinjovana ny fahanterany amin’ny alalan’ny vola fisotroan-drononony. Ankehitriny, mitaraina sy manaitra ny fitondram-panjakana, ny minisiteran’ny foloalindahy ireo zokiolona niasa tao amin’io hopitaly miaramila io mba hijery ny momba azy ireo fa mihatra aman’aina ny manjo azy ireo. Voatery mitady asa hafa toy ny asa an-tselika noho ny tsy fisian’ny vola. Tsy voaray anefa ny ankamaroany noho ny fahanterany ka misy mihitsy ny lasa mangataka.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT