Nanatanteraka fifampiarahabana nahatrarana ny taona 2019 tetsy amin’ny CEMES Soanierana ny mpiasan’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana omaly zoma 01 martsa.
Nandritra ny kabary nifandimbiasan’ireo tompon’andraikitra dia nisongadina ny ezaka ho fanakaikezana kokoa ny vahoaka ny amin’ny fandraisan-tanana amin’ny ara-pahasalamana amin’ity taona vaovao ity. Anisan’izany ny famonjena aina sy ny resaka voina voajanahary izay tena ilàna fanakaikezana tanteraka ny vahoaka, hoy ny tale jeneralin’ny CENSHOA Hopitaly Soavinandriana, Medecin General de division Rakoto Fanomezantsoa Andriamparany. Ankoatra ny fety aman-danonana dia nisy ny fanolorana ny mariboninahi-pirenena ho fankasitrahana ireo mpiasa nahavita be tao amin’ny hopitaly. Nisy tamin’ireo mpiasa no nisalotra ny Grand-croix de 2ème classe, grand officier, commandeur, officier, chevalier de l’ordre national Malagasy ary chevalier de l’ordre de mérite. Nilaza ihany koa ny tompon’andraikitra fa tsy maintsy hamafisina hatrany ny ady amin’ny kolikoly ary maro ny fepetra horaisina manoloana izany amin’ity taona vaovao ity.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.