Sosialy

Hopitaly HJRA Mpiasa 3 natsahatra tamin’ny asany


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Mpiasa telo no tsy maintsy natsahatra tamin’ny asany, nanomboka tamin’ny faran’ny taona 2019 hatramin’izao.

 

 

 

Fakàna vola amin’ny marary ny ankama­roan’ny antony nampiatoana an’ireo mpiasa ireo, raha ny fanazavana. Misy ihany koa ny fitabatabana sy tsy fanajana ny marary. "Misy lalàna mifehy ireo mpiasan’ny fahasalamana tsy manao ny asany amin’ny tokony ho izy. Omena fampitandremana aloha. Manaraka an’izay ny fangatahana fana­zavana amin’ilay mpiasa. Raha miverimberina in-telo ny hadisoana dia mahazo sazy tsy afaka miasa ao anatin’ny fotoana voafetra. Miafara hatramin’ny fanesorana mihitsy", hoy ny profesora Rakoto Alson Aimée Olivat, talen’ny hopitaly HJRA. Tato ho ato dia nanomboka maro ny fahasahiana mijoro sy mitory na mitaraina eo anatrehan’ny mety ho fahatsapana fitondran-tena tsy mendrika ataon’ny mpitsabo. Heverina fa mba hitondra fivoarana ho amin’ny tsara kokoa ireny. Tsy ny rehetra anefa no maneho fitondran-tena hafahafa, fa maro no manao ny ainy tsy ho zavatra, izay ampirisihina hatrany. Irariana ihany koa ny hahafoana ireo fandoto iray tandroka manaratsy endrika ny tontolon’ny fitsaboana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT